4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mandehana re - Mamy Andy Lala

Marina fa nandao ny ray aman-dreninao

Fa nanohina ny dadanao ianao

Tena tsapanao fa tena mavesatra

Ka tsy laitra intsony ny fiainana



Ary ny sisa ataonao dia mitomany

Fa mijaly diso fanantenana

Mahatsiaro ho irery sy tena very ianao

Fa miaina anivon’ny fahantrana



Mandehana amin’i Dada

Fa malahelo koa

Dada sy Neny very saina tsy mahita tory

Mitomany foana miandry lava ny hiverenen’ny zanany



Ary koa i zandry kely

Efa sasa-miandry

Manontany tena foana

Fa mba nankaiza ihany i Zoky izay

Mahatsiaro ireo sangisangy

Sy hiran-joky malalany



Eny mafy izany miverin-dia izany

Nefa atao ahoana moa fa diso lalana

Ny resy indray mandeha hono ts’isy tsiny

Fa ny ratsy kosa ny mivari-lavo



Ndao ary hifona amin’i Dada sy Neny

Fa tsy misy hikapoka anao any

Endrika falifaly sy orokoroka

No handray anao

Mandehana re!

Partager mandehana re

Commenter mandehana re

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mamy Andy Lala